<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry any an-danitra TS9</title>
<lyrics>[V1]
 Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry any an-danitra;
 Miderà Azy any ambony.
 Miderà Azy, ry anjeliny rehetra;
 Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.

[V2]
 Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana;
 Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.
 Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra,
 Ary ianareo rano ambonin'ny lanitra.

[V3]
 Aoka hidera ny anaran'i Jehovah ireo;
 Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.
 Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy;
 Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.

[V4]
 Midera an'i Jehovah eto an-tany,
 Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,
 Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona,
 Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,

[V5]
 Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra,
 Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,
 Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra,
 Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina,

[V6]
 Ny mpanjaka amin'ny tany sy ny vahoaka rehetra,
 Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin'ny tany,
 Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy,
 Na ny antitra, na ny tanora,

[V7]
 Samia midera ny anaran'i Jehovah avokoa,
 Fa ny anarany ihany no misandratra;
 Ambonin'ny tany sy ny lanitra
 Ny voninahiny.

[V8]
 Ary manandratra tandroka ho an'ny olony Izy,
 Dia fiderana ho an'ny olony masina rehetra,
 Eny, ho an'ny Zanak'Isiraely, firenena akaiky Azy.
 Haleloia.

[V9]
 Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
 Ary ny Fanahy Masina;
 Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
 Andriamanitra mandraki-zay. Amen.</lyrics>
<hymn_number>9</hymn_number>
</song>